Tsock

179

 

Tsock : ireto misy recette tsock maro nozarain'ny namana , ao ny amin'ny henakisoa, ao ny au poulet ao koa ny au crevette na trondro, misy atody manta no arotsaka ary misy atody endasina voatetika ...ka samy misafidy izay tiany dia mazotoa daholo 

recette 1 de Bakoly Khan:

  •  alaiko ny vary fotsy dia lomako rano mandifotra azy sy menaka 2c...às, avelako eo 1h minimum. avy eo dia kesehiko @ rouleau à patisserie na raha kamo aho dia ataoko pulse vetivety kely @ mixer fa tsy atao potika be an. Pendant vary milona dia mampangotraka carecasse an' akoho na trondro na crevette na taolana dia avy eo iny bouillon iny no andrahoina ilay vary. asiana 'zay garniture tiana @ izay dia rarahana ciboulette kely avant de servir 

recette 2

  • ity koa misy iray tsotra be: mahandro vary soa dia avela hagatsiaka ary totoina robot avy eo. afindra @ vilany lehibebe, ampiana rano tsy hadity, arotsaka @ zay crevette, sauce soja, boulette sy izay fangarony dia aza adino manandrana sira.....rehefa ho aroso dia asiana pain frite, oeuf sur le plat sy poivre ary kotimila kely (decoration) mazotoa homana

recette 3

  • ity koa mbola misy iray :alaina ny vary, (ohatra izao pour 2 persones dia vary eran'ny tanana) sasana ny vary dia asina sira, menaka kely, poivre. Afangaroy tsara dia avela hilona pendant 2 ou 3h de temps dia aveo atao anaty vilana ilay vary nilomana fenohina rano ny vilany dia handroina ela be. Rehefa masaka ny tsock izay vao arotsaka ao anaty vary ny boulette de poisson ohatra na crevette ny croutons des oeufs etc..asiana kotomila foana koa .

recette 4 de Onitriniaina Rova Andriantsoa :

  •  tenehana ny taolana akoho sy kisoa.andrahoina malemy ao ny vary.mixena le vary,manao boulettes (nofo-kisoa,fecule,sel,coutmil), manao omelette tetehana lavalava.endakendasina nofon akoho voatetika madinika.arotsaka anaty vary mixe ny boulettes,akoho,crevettes sautees.ajuster l assaisonnement.rarahana omelette,ciboulettes,kotomila. 

recette 5 de Habillement Tendance:

  •   Andrahona malemy ny vary dia mixena. Tanehana elaela ny crevette maina ( ilay somary lehibe) dia asiana Jumbo ( atsasany na izay tiana) sy oignon voatetika.Rehefa vita izany dia tsihifina ary afangaro @ vary efa avy mixena ny rony ary avela hiketrika kely.Azo asiana boulette de viande. Haroina matetika mba tsy hiraikitra sy ho may ny vody vilany ary tsy avela harihitra be.Tetehana manify ny kitozan-kisoa fumée ( nofony fa tsy lard fumée an!) dia somary endasina kely. Loarana anaty bol ny vary dia fafazana ilay kitozan-kisoa fumée sy coriandre ary tongolo maintso.Vakiana eo amboniny ny atody ary aroharoina tsara. Mazotoa homana.

Azo asiana tsatsiou na boulette chinoise ny tsock ka jereo amin'ny fichier ireo raha mahaliana anao o 

mazotoa o 

 

Catégorie: 
Matériels: