Vary sy legioma 1

610

RIZ AUX LÉGUMES 

Zavatra ilaina : 

Vary efa masaka izay sahaza 
Poivron rouge  1 
Épis de maïs 1 boîte kely 
Maïs doux 1 boîte kely 
Tongolo be 1 
Haricots verts 100 g 
Tsaramaso mena efa masaka kelikely zay tiana 
Dipoavatra 
Tongolo gasy 
Curry 
Sira 
Menaka oliva 

Fikarakarana azy : 

1. Maka vilany lehibe na wok asiana menaka oliva rehefa mafana dia endasina ny tongolo be sy ny tongolo gasy rehefa miova loko dia arotsaka ny ny legioma ka ny "poivrons" sy ny haricots verts ary ny tsaramaso lena . Avela hitanika amin ny afo malefaka 5 minitra eo. 
2. Rehefa tapitra ny 5 minitra dia arotsaka ny "épis de maïs" sy ny "maïs doux" ary nydipoavatra, sira, curry. Haroroina tsara. 
3. Rehefa mendimendy dia arotsaka ny vary efa masaka. Haroroina hifangaro tsara. 3 minitra dia vonoina ny afo. 
4. Naroso niaraka tamin ny elatr'akoho nendasina "pané".

Mazotoa o 

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: