Vary sy safran

910

SAKAFO FENO : VARY SY SAFRAN - RIZ AU SAFRAN

ZAVATRA ILAINA:

Tongolo be
Vary masaka 
Dobera 
Menaka oliva
1 Bouillon de legume (jumbo ... raha tiana)
dipoavatra sy sira
Safran vovony. 
Rano iray vera 
Fromazy parmesan voakiky

FIKARAKARANA AZY 

Atao anaty lapoaly ny dobera sy menaka oliva kely,
Arotsaka ny tongolo voatetika madinika,
Arotsaka ny rano iray vera sy "bouillon",
Arotsaka ny safran, ka rehefa lasa mavo ilay rony vao arotsaka ny vary,
Afangaro tsara hahazo loko daholo
Asiana dipoavatra voatoto,
Aroso ka eo ambony vilia vao rarahana fromazy parmesan voakiky.

Mazotoa o 
 

Nahandron'i Tiana Parlato 

 

Catégorie: