Verrines multicolores

406

"VERRINES MULTICOLORES"

ZAVATRA ILAINA :

ronono 1l, " crême pâtissière" vovony, siramamy 5 na 6 sotro fihinanana, lavanila tahony 1 na koa ilay ranony iny 1 sotrokely, "cacao" 2 sotrokely, "colorant alimentaire" kely isan-karazany, "crème vanille" ilay vidiana Vanoise ireny, atody 2

FIKARAKARANA :

- ahandroina amin ny ronono ilay vovoka "crème pâtissière" ary kapohina ny atody dia arotsaka ao
- alefa ny siramamy sy "extrait de vanille"
- ilay Vanoise iny ahandroina mitokana koa
- rehefa izay dia zaraina 3 ilay "flan" tsy atao marihitra be loatra sao tsy mety araraka. asiana "colorant" ilay 1/3 atao frezy, ny 1/3 asiana ilay "cacao" ary ny farany tsy nasiana fa mavo amin'izao ihany.
- Rehefa matimaty dia araraka amin'ny vera ka rehefa mangatsiaka vao atao anaty vata fampangatsiahana.

Mazotoa o 

 nahandron'i Hamada Sy Kenny Nampiandraza

Catégorie: