Voanemba saosy sy henabaolina

542

Voanemba saosy nampiarahana tamin'ny toutoulesse

henabolina natao fisaka dia mba nameko anarana hoe Toutoulesse hihihihihi.

ZAVATRA ILAINA:

Voanemba fotsy,
sira,
totokena,
tongolo gasy,
sira ,
dipoavatra,
voatabia,
tongolo be,
vovoka "poivrons rouges"

FIKARAKARANA:

Tsotra ny nanaovako azy nandrahoko mitokana ny voanemba fotsy, nasina sira dia niandry ny fahamasahany dia vita.
Ny totokena kosa dia nasiko, tongologasy gasy, sira, diapoavitra ary vovoka "poivrons rouges" dia nafangaro ary novolavolaina ho fisaka.
Nendasina ny toutolesse rehefa masaka dia narotsaka mivantana miaraka amin'ny tao ny votabia sy tongolo ary ny tongologasy gasy efa voatoto, nafangaro miaraka.
Rehefa masaka ny voanemba dia tonga dia narotsaka tao ilay toutoulesse saosy ary miandry ny fifangarony mangotraka lasa saosy ronirony kely dia vita.
Ny Toutoulousse moa rehefa nakambana niaraka tamin'ny tao dia hoy ny vahiny hoe tena "juicy" sy nafilotra tokoa.
Mazotoa daholy indray ary o

Nahandron'i Prisca Randriharimalala‎

 

Catégorie: