Voanjobory sy henomby

715

LAOKA RONY : VOANJOBORY maina Sy HENA OMBY ary anamalaho

Zavatra ilaina : 

Voanjobory maina izay sahaza ( ny ahy teto indroa boaty yaourt )
hena omby 250 g 
Anamalaho maina eran'ny tanana 
Sira 
Menaka kely 1 sotro fihinana

Fikarakarana azy

1. Nalona indray alina tamin'ny rano mangatsika ny voajobory maina, avy eo dia nandrahoko tamin'ny rano sira ka rehefa nangotraka ela ela dia nariko iny rano voalohany iny dia nandrahoko tamin'ny rano ihany. 
2. naka vilany dia nendanendasiko tamin'ny menaka kely 1 sotro fihinana ny hena ka rehefa mendimendy dia narotsako ilay voanjobory miaraka amin ny ranony iny. Dia notetehana teo tamin'ny afo malefaka. 
3. etsy andaniny nandrahoko tamin'ny rano magotraka ny anamalaho maina. Avy eo notsihifina nariana ny ranony 
4. rehefa hita fa masaka ny hena ary malemy ny voanjobory dia arotsaka ny anamalaho efa vita karakara. Avela hiketrika 5 minitra dia vita. Aza adino ny sira. 
5. Toro hevitra avy amin' ny namana ny hoe azo asiana angivy ihany koa 
6. Naroso niaraka tamin ny vary sy lasary voatabia ary sakay kely 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô
Nahandron'i Soa Bonheur

 

Catégorie: