Vorivorin-kena nendasina

533

VORIVORIN-KENA ENDASINA - TRIPES PANEES

ZAVATRA ILAINA

– 400 vorivorin-kena efa masaka (aty aminay efa voadio fotsy be ireny no amidy fa mety foana na ilay maintimainty tsara ireny aza)
– atody 1
– sira
– dipoavatra (azo ampiana izay épices tiana ny ahy nasiako curry )
– lafarina
– poti-mofo (chapelure)
– menaka fanendasana

FIKARAKARANA:

Rehefa masaka ny vorivorin-kena nandrahoina bolongany dia tetehina lavalava ary hamainina tsara aloha 
Maka vilia dia kapohana ny atody asiana dipoavatra sy sira ary curry
Maka vilia iray dia asiana lafarina sy sira kely 
Ary ny vilia farany dia asiana ny potimofo 
alaina ny vorivorin-kena dia ampandalovina lafarina, atody ary chapelure dia arotsaka anaty menaka mafana. 
Rehefa masaka dia apetraka ambony taratasy na "essui tout" mba hiala ny menaka 
Aroso atao tsakitsaky miaraka amin'ny voasary makirana raha tiana

Tena tian'ny ankizy mihitsy ilay izy 

Mazotoa daholo

Catégorie: