Yaourt au soja

Portrait de Angie
599

YAOURT SOJA

ZAVATRA ILAINA :

Ronono soja 3 litatra
Yaourt 1 atao "ferment"
Papay solo 3
Siramamy

FIKARAKARANA:

Soja efa vita tanaty fonosana no nampiasaiko, 2 fonosana no ahazoana ronono 3 - 4 litatra eo ho eo,
Notanehana amin'ny afo malefaka ka rehefa mahazo herotra mitovy amin'ny mahandro ronono velona dia masaka.
Tatavanina tsara hiala ny faikany.
Rehefa matimaty dia arotsaka ny siramamy izay tiana sy ny "ferment".
Tandremana tsy ho mamy loatra satria efa mamy koa ny voankazo papay atao aminy. Arohina tsara.
Voasana ny papay, tetehina madinika, asiana siramamy. Andrahoina miaraka amin'ny rano kely mandrapa-hahazoana fangaro madity tsara "compote" dia avela hangatsiaka.
Maka eran'ny sotro fisakafoanana amin'io "compote" papay io arotsaka anaty ny pot tsirairay. Afaka ovaina arak'izay voankazo misy sy tiana hanome tsiro ny yaourt.
Avy eo arotsaka ny ronono. Fonosina gazety na "emballage". Rakofana "couette" na bodofotsy izay misy mandritry ny alina iray manontolo.
Yaourt mitambatra tsara no azo avy eo, ka na ahoaka aza ny pot tsy tokony hiraraka ny yaourt.
Ampidirina anaty frigo avy eo.
Ahazoana yaourt 25 - 30 pots eo ho eo.
Mazotoa !

Nahandron'i Bakl Rakotozafy‎

 

Catégorie: