Yaourt soja parfumé à la vanille

374

 

Yaourt soja parfumé à la vanille

Zavatra ilaina: 

Soja vaoniny 2kp 
Rano 2l anakiroa(2l voalohany andomana ,ny faharoa hitotoana azy)
Siramamy 250g
tahona lavanila 1 
Yaourt Yama 1
 

Fikarakarana azy:

1- sasana tsara ny soja dia lomana ilay rano 2l voalohany manomboka maraina mandrapahariva mba halemy azo tapahina amin'ny tanana.

2- totoina amin'ny "mixeur" tsikelikely amin'ilay rano 2l faharoa

3- Andrahoina miaraka amin'ilay faikany iny sady karoina tsy mijanona amin'ny sotrobe hazo na "spatule" ka rehefa masaka mahazo herotra toy ny ronono dia vita

4- Tsihifina amin'ny passoir na tamis na lamba madio hiala ny faikany
(Tsy ariana ny faikany fa atao boulette jereo ny recette bajia  )

5- vakina ny vanille dia alefa ao ny vovony mainty ary tapahina ny gouse dia alefa ao koa miaraka @siramamy ary averina afanaina kely sao mangatsiaka loatra.

6- Rehefa matimaty mamay zakan'tanana dia alefa ny yaourt yama 2 sotro atao "ferment" ,afangaro tsara

7- Avy hatrany dia alefa anaty boite na verre dia alahatra anaty koveta be na boritra ary saromana drap avy eo botofotsy mba tsy hidiran'ny rivotra mandritry ny 4h raha mamay be ny andro na 8h raha mangatsika ny andro.

PS:double creme be tsy very na ahoaka aza io

Nahavita 22pots ny ahy ary nampiako vanille ilay maintimainty kely ireny

2090ariary no laniko Prix aty toamasina ireo. (oktobra 2015)

Mazotoa o 

de Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

Catégorie: