Zanadandy

Portrait de Angie
596

ZANADANDY

ZAVATRA ILAINA: 

- zanadandy 150g
- sira izay tina
- menaka 4 sotro lehibe
- rano tapaky ny kopy

FIKARAKARANA :

Sasana tsara ny zanadandy dia arotrsaka ao anaty vilany daholo ireo zavatra ilaina rehetra dia saromana.
Adrasana ho ritra tsara dia arohina tsy akijanona. Atao mendy be mihintsy fa manjary ratsy.
Ohatry ny mipopoka ilay izy dia masirasiraka amin'ilay sotro. Azo ampiarahana amin'ny vary sosoa.
Mazoto homana daholo. 

Nahandron'i Boo Laylah 

 

Catégorie: