Submitted by andry on Sun, 02/08/2015 - 11:47
Hazo lehibe ny baobab na RENIALA, afa-miaina 1000 ka hatramin’ny 2000 taona. Mety mahatratra 25 m ny hahavony ary 9 m ny hateviny. Nefa misy ny karazany fohy : 4-5 m ihany koa. Mahatahiry rano betsaka izy. 8 karazana ny baobab eran-tany, ny 6 amin'ireo dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara
Ny voan’ny baobab dia tena feno otrikaina tokoa, misy calcium indroa mihoatra ireo ny fatra hita ao anatin’ny ronono sy ny épinards, ahitana ny vitamine C mihoatra lavitra noho ny hita ao anaty voasary, ao koa ny B1 sy E