voatabia

Salade de crevette

SALADE DE CREVETTE

Sakafo tsy mba mampatavy
Andramo fa tsara io rahavavy!
Tsy salade no atao fa endives
ampihaingoana voan'olive,
Cornichon ary koa voatabia,
Crevettes tsara masaka ery!
Asio sauce vinaigrette,
Dia ho hitanao fa mety dia mety!
Tena tsotra sy tsara izy ity,
Izay indray ary fa bon appétit!!!

de Holinirina Ramanankasina

Rambon'omby sy voanjo

 

RAMBONOMBY SY VOANJO KATRA

(queue de zébu aux arachides)

 

ZAVATRA ILAINA:

voanjo miaraka amin'ny hodiny

hena

tongolo be

voatabia

tongolo gasy

sira

sakamalaho

 

FIKARAKARANA:

Alona 3h mialoha ny voanjo

Ampangotrahana amin'ny rano kely aloha ny hena,

rehefa ritra diia asiana tongolo be sy voatabia ary tongolo gasy,

rehefa mendy ny saosy dia arotsaka ny VOANJO AMANKODINY

Lasary manga 1

ity ary ilay lasary manga matsiro be izay efa mahazatra antsika ihany angamba

Ny nampiasaiko dia : tongolo be, persil, voatabia ary Manga efa somasoma io, tsy dia manta no tsy dia masaka loatra. 

Novoasana ny manga dia nokapakapaina mba ho mora didiana ny nofony (tsy haiko tsara manazava azy hihihi ) ,

nasiana tongolo oignon sy voatabia voatetika ary persil dia norarahana vinaigrette : citron sy huile d'olive sira ary siramamy kely. 

Andry 

Quiche vegetarienne

QUICHE VEGETARIENNE

Quiche tsotsotra ity fa tsara be an
zavatra ilaina :

sakaibe 3 (poivrons)
tongolo 2
voatabia
tongolo gasy
sira
dipoavatra
atody 3
ronono 1/4 l
lafarina 100g

salade de fenouil 1

 indray ity izay tia ô!
- Alaina ny fenouil efa voadio tsara dia fisafisahana @ halavany
- atao ao anaty saladier dia raharahana jus de citron, ampiana sira sy poivre kely dia avela hilona 15 na 20 mn
- alahadahatra tsara anaty plat boribory
- ny sisan'izay : cervelas, atody Masaka, carotte râpée, mozzarella sy tomate cerise ary ravina oignon blanc voatetitetika arak'izao hita amin'ny sary izao!

Mazotoa homana ê!

recette de Holinirina Ramanankasina 

 

Salady zavoka

Salady zavoka

Zavatra ilaina

 zavoka , voatabia, tongolo be , kotomila, voasary makirana, menaka oliva, sira, dipoavatra, siramamy

Carpe sy voanjobory

Carpe sy voanjobory​

Zavatra ilaina:

Voanjobory, carpe, votabia , tongolo, menaka , sira 

Fikarakarana azy

Andrahoina mialoha 20mn eo ho eo ny voanjobory
Andrahoina avy eo ny carpe sy ny lasaosy izany hoe voatabia sy tongolobe ary rano sy menaka atao menaka misimisy mba tsy ho maina loatra ary avela hiketrika mandra paha ritrany !

 rehefa ritra voalohany dia tapohana rano indray; ka rehefa ritra @ rano farany dia masaka.

Mety na voanjobory lena na maina fa ny lena no tsara kokoa satria maivana

Pages

S'abonner à voatabia