Mofotantely

2

MOFO TANTELY

ZAVATRA ILAINA 
Ho an'ny mofotantely 50 isa 

Fanaovana sirop :

- siramamy 5 vera

- rano 5 vera

- "colorants alimentaires" : mena, manga, mavo, maintso, volomboasary

- "fleur d'anis" ho an'ny "parfum"

=> atao ao anaty vilany ny rano 1 vera, siramamy 1 vera, "colorant" 1 sotrokely ary "fleur d'anis" 1 : ahandroina mandram-piraikitry ny tsora amin'ny sotro na ny sisin'ny vilany dia esorina eo ambony afo ary avela hangatsiaka ao anaty bol

Fanaovana ny pâte :

- kobam-bary 2 kapoaka
- lafarina 2 kapoaka "farine de blé"
- lalovay :"levure de boulangerie" 1 sotrokely
- rano matimaty 2 vera ary siramamy 1 sotrokely
=> atao ao anaty tsatokaty ny lafarina, alaina ny vera nofenoina rano matimaty dia arotsaka ao ny lalovay sy ny siramamy.
Arohina tsara dia araraka ao anatin'ilay tsatokaty misy lafarina, dia ampiana rano matimaty 1 vera sy tapany, dia arohina tsara, avy eo saronana dia avela hitombo mandritra ny 1 alina (mandritra ny adiny 10 na 12 ora eo ho eo)

Fomba fanaovana azy :

- hafanaina tsara ny menaka ( atao 1,5 sm eo ho eo ny ahavon'ny menaka ao anaty lapoaly)
- Alaina ny "entonnoir" dia araraka ao ny pâte rehefa avy nafangaro
- tapenana amin'ny ratsan-tanana ny vavan'ny "entonnoir" mba tsy hiraraka ny ao anatiny
- Dia atao tandrifin'ny lapoaly ny tanana mitazona ny "entonnoir" dia esorina ilay ratsana manampina ny vavany dia avela hiraraka ao anaty lapoaly ny pâte atao manao boribory aloha, dia ahodinkodina ao anatin'ilay boribory mandram-paha-feno pâte ny ao anatiny
- avela ho Masaka, izany hoe : enjana tsara fa tsy may dia avadika 
- raha vao mivoaka avy ao anaty lapoaly iny, tonga dia arotsaka ao anaty tsatokaty misy ny sirop, dia avadika, dia esorina

Dia toy ny eo amin'ny sary ny endriny rehefa vita 

AZO ATAO KOA

Raha tsy te-hanao sirop, dia sirop efa vita no anatsoboana azy raha vao mivoaka ny lapoaly  ary tena tsara be
mena : "sirop de fraise"
maintso : "sirop à la menthe"
manga : "barbe-papa"
mavo : voasary makirana
lokomboasary : voasary

FANAMARIHANA:
Raha tsy manana "entonnoir" dia azo atao ny mampiasa "sachet congelo" ilay fitahirizana sakafo anaty "congelateur" dia fatorana tsara ary hetezana kely fotsiny hivoahan'ilay patY, na koa maka tavohangy plastika dia goahana kely ny sarony hivoahan'ilay pate. 

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Holinirina RAMANANKASINA (fifaninanana nahandro )

 

Catégorie: