By Andry Rakotomavo
Canapé
ODY AM-BAVA FO na FANOKAFAM-BAVONY : CANAPE'
ZAVATRA ILAINA:
Mofo
Lasary karoty
Katsaka
thon
mayonaise
Atody masaka
Salady voatabia
Saosy vinaingitra
saosy balsamika
FIKARAKARANA AZY:
Tetehina manify ny modo dia atono ambadika sy ambadika.
Avy eo asiana izay tiana eo amboniny toy ny :
Lasary karoty
Katsaka sy thon ary mayonaise
Atody masaka voatetika
Lasary voatabia
Manao saosy “vinaigrette” : vinaingitra sy menaka ary sira sy siramamy kely, afangaro tsara dia asiana daholo io saosy io avokoa aloha vao atao ambony mofo.Ny eo ambonin' ny atody kosa dia sosy balsamika (vidiana vita)
Fanamarihana :
na atono eo ambonin' ny saribao (charbon) aza ny mofo vao maika tsara.
Raha tiana dia somary kasohana tongologasy ny mofo vao atono ary izay vao asiana zavatra eo amboniny.
Mazotoa o
Nahandron’i Tiana Parlato
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire