By Andry Rakotomavo
Lasopy tsiasisa
SAKAFO FENO : LASOPY TSIASISA SY MOFO MIKAREPOKA - CREME LENTILLE -Crème lentille et pain grillée.
ZAVATRA ILAINA
Tsiasisa (Lentille) 400 g
karoty 3
tongolo be 3
sira
menaka 3 sotro na dibera.
Mofo ambin' ny omaly voatetika madinika
FIKARAKARANA AZY :
Nandrahoana ho masaka miaraka ny tsiasisa, katroty ary ny tongolo be dia asiana sira sy menaka kely.
Rehefa masaka dia potserina ho lasa lakrema tsara na atao anaty robot na mixeur
Atao anaty lafaoro kely mba ho menamena na hoe "dorée" mba hikarepoka tsara.
Hafanaina sady asiana dobera 1 sotro vao loarana atao anaty vilia ny lakrema tsiasisa, asiana mofo mikareoka sy menaka oliva kely eo amboniny ary fromazy raha tiana.
Fanamarihana:
Azo andrahoina miaraka aminy koa ny vary na ny paty koa.
Mazotoa o
Nahandro sy sarin'i Tiana Parlato
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire