By Andry Rakotomavo
Mofo katsaka
Gateau katsaka angamba no mahalaza azy ity kosa.
zavatra ilaina:
katsaka manta tanora,
siramamy,
ronono mandry,
levure 1 tsongo.
(tsy nasiako fatrany fa izaho tsy tia mamy be, dia atao araka zay itiavana azy fotsiny)
Fikarakarana azy :
- kikisana moramora ilay katsaka ary kikisana amin'ny sotro ilay miraikitra @ taolany iny ka rehefa voalodotra dia ampiana siramamy, ronono mandry, levure 1 tsongo
- asiana menaka ny lasitra ary atao anaty vilany (ilay lasitra mbola tsy misy ny koba io) atao ambony afo malefaka,
- rehefa mafana ny lasitra dia arotsaka ny koba.
- Jerijerena ka rehefa miova loko ilay amin'ny sisin'ny lasitra (sady heno manitra koa) dia atao masakevoka na bain-marie hoy ny fiantso azy, izany hoe asiana rano ao anaty vilany dia ataingina eo ambony ny lasitra misy ny koba katsaka.
Araho an-tsary ny fikarakarana.
Dia mazotoa ary o
Fanamarihana: Afaka ampiana akondro nopotsehina koa izy ity
Nahandron'i Ma Mence Zafiarison
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire