By Andry Rakotomavo
Mofo menakely 1
Soumis par Angie le mar, 10/20/2015 - 10:56
363
MOFO MENAKELY
Zavatra ilaina:
Lafarina 400g,
Kobambary 300g,
Siramamy 225g,
Ronono 350 ml,
Lalovay simika 1 fonosana,
Atody 1 ,
Sira indray mitsongo
Menaka
Fikarakarana azy:
Ampiarahana anaty "bol" ny fangaro maina.
Ampiana atody, avy eo ny ronono. Afangaro tsara mba hahazo paty marihitra.
Avela hilona mandritry ny 1ora.
Afanaina ny menaka, atao afo malefaka, ary dia endasina tsikelikely ny mofo, eo amin'ny 2 hatramin'ny 4minitra eo.
Esorina anaty menaka, tsihifina ambony taratasy mba hialan'ny menaka.
Mazotoa o
de Dina Ramangatsihoarana
Catégorie:
Matériels:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire