Baranjely natono

Portrait de Angie
518

BARANJELY NATONO na "AUBERGINE GRILLEE"

mora sady tsara , maivana , mahasalama

Zavatra ilaina :
Baranjely,
menaka oliva,
sira,
tongolo gasy,
persila

Fikarakarana azy :
-Atao rondelle fisapisaka ny baranjely. asiana sira dia avela hipetraka kely hanary ny rano ao anatiny 
- fafana tsara ary dia atono kely avadibadika tsy vaotery ho masaka fa vao miova loko dia vita satria mora masaka be an, 
- saromana izay vita mba tsy ho maina loatra
- rehefa vita daholo dia asiana tongolo gasy sy persil kely voatetika majinika ary huile d'olive dia aroso

Mazotoa indray o

NB: hoy ny namana Noro-Liva Rakotondrasamba :ny ahy amin'io ataoko "citronnette parfumée" mihitsy: menaka oliva, voasarimakirana, lay nohitsahina tamin'ny vodin'antsy, sira, "origan" raha misy. Le marikivikivy iny no tena itiavako azy. 

Catégorie: