Bolety Kroaty

Portrait de Angie
1140

TSAKITSAKY : CEVAPCICI – SANDWICH aux  BOULETTES CROATE (à la sauce HAJVAR)

ZAVATRA ILAINA
mofo dipaina
totonkena omby  250g
toton-kena kisoa 250g
tongolo be mena 1
tongolo gasy 1
thym kely
atody 1
paprrika 1 sotrokely safovavany
cumin 1 sotrokely safovavany
menaka oliva 2 sotro
sira sy dipoavatra

FIKARAKARANA AZY ;

1 tetehana madinika sy manify ny tongolo be, ny tongologasy totohina ary sasana tsara ny thym raha ilay lena
2 afangaro avokoa ny tongolo be, ny tongologasy, thym, epice, atody, ny hena rehetra ary asiana sira sy dipoavatra araka zay tiana
3 amboarina ny henabaolina toy ny habean’ny baolina ping pong
4 andrahoina anaty lapoaly misy menaka oliva na ambony ”plancha” ,ila avadibadika matetika ho masaka avokoa
Azo hohanina miaraka amin’ny saosy hajvar sy mofo

Mazotoa o

– Nahandro sy sarin’i Lova - Graine de faim kely

Ingrédients: 
Catégorie: