Boulette de chevre panée aux cacahuetes

1030

FANOKAFAM-BAVONY : BOULETTE DE FROMAGE DE CHEVRE  PANEE AU CACAHUETES

Entrée tsotsotra nefa feno azo atao amin' ny alahady na fety

 

ZAVATRA ILAINA

fromage de chevre na izay fromazy misy

sesame nendasina,

paoma

salade roquette na izay salady misy

atody

sira

lafarina kely raha tiana

voanjo na amande na koa soloina chapelure

menaka kely na dibera hanendasana azy

saosy: vinaigitra paoma :cidre, tantely ary thym

 

FIKARAKARANA AZY:

1/ tetehana ny fromazy izay azo soloina fromazy hafa toy ny camembert

2/ maka vilia 2 ny iray misy atody voakapoka sy sira ny iray kosa misy voanjo voatoto tsy atao malemy be fa zara raha potipotika ary ity koa moa dia azo soloina "amande" na "chapelure", eto dia ilay tsiro "voanjo" no tiana ho tsindrina.

3/ ampandalovina ao anaty atody ny fromazy vao alefa anaty lafarina raha tiana izay vao voanjo ary izay vao endasina

4/ tsy atao be menaka refa manendy azy

5/ tetehana ny paoma dia sasana tsara ny salady ary asiana ilay saosy: "vinaigre de cidre" sy tantely ary thym afangaro dia atao ambony afo malefaka ary azo asiana rano kely.

zaraina am-pitiavana ! 
Mazotoa

Nahanadron'i Laferme Ilafy

 

Catégorie: