Buche de noel 1

392

MOFOMAMY NOELY 

ZAVATRA ILAINA :
ho an'ny "génoise" :
lafarina 150g
siramamy 150g
atody 06

Ho an'ny lakirema:
"crème fraiche" (DANICA no nampiasaina teto) 2 "pots yaourts"
"sucre glace" (izay mahamamy)

Hanaingoana:
sokola 250g
menaka kely.

FIKARAKARANA :
- sarahana ny tamavony sy ny tapotsiny
- kapohana hiakatra tsara ny tapotsiny mandra-pandroatrany fotsy (neige ferme)
- arotsaka ny siramamy dia tohizana kapohana 
- rehefa hita fa levona ny siramamy dia arotsaka ao koa ny tamavony, kapohana hatrany somary atao elaela mba tsy hidiran'ny rivotra (bulle d'air)

- Afanaina mialoha 180°C ny lafaoro
- Arotsaka tsikelikely ny lafarina (somary afafy), aroina moramora @ "spatule" ka somary atsingevana zay ny fikarohan'azy fa raha hitanao hoe mifatratra eo ambony eo daholo ny lafarina dia ahidino mahazo ny fanambanin'ilay "bol" nikapohana azy dia ohatr'izay hatrany mandra-pahalanin'ny lafarina rehetra(mila mahay mikaroka ny lafarina tsara eto mba tsy hampifatratra ny paty),

- Osorana menaka kely ny lasitra mahitsizoro dia fafazana lafarina kely ary araraka ao ny paty, ahandroina 15 - 20mn arakaraky ny lafaoro.

- Masaka ny paty ; alaina ny lamba manifinify mitovy habe @ lay paty, lemana tsara @ rano mangatsika 'lay lamba dia fihazana ary velarina eo ambony paty efa masaka ny lamba lena ary ahorona toy ny tsihy (ilay paty mahamay iny no ahodina ary avela mangatsika tsara vao esorina ny lamba)
- Averina velarina moramora ny paty mangatsika ary hosorana "crème chantilly" efa voakapoka dia avalona
- hosorana "crème" koa ny ivelany dia raotina mora2 @ sotrorovitra ny lakirema ivelany.

- Ny sokola indray : tapatapahana, asiana menaka eo @ 2sotro kely dia atao masakevoka mba hitsonika, ampangatsiahana;
- Hakàna amin'ny sotrorovitra ilay sokola efa nitsonika ary ahosotra @ paty efa voahodina boribory sy voahisy lakirema, ahodina manaraka ny bolan'ny mofomamy ilay sokola amin'ny sotro rovitra.

- Ny "crème chantilly" : alaina ny "sucre glace" kely sy "crème fraiche" kapohana ho "ferme" dia ahosotra.

Mazotoa o 

nahandro sy sarin'i Sylvia‬ Angella Ravelomalalatiana

 

Catégorie: