Buche de noel - gateau roulé

469

Buche de noel - gateau roulé

Zavatra ilaina

  • ho an'ny "génoise" :

lafarina 150g
siramamy 150g
atody 31 
fecule de patate 50g

  • Ho an'ny lakirema:

Chocolat noir 400g
creme fraiche 200g
dibera 60g
siramamy 50g

Fikarakarana azy:

  • ho an'ny "génoise" :

- Sarahana ny tapotsin' atody sy ny tamavony
- Kapohana avy eo ny tamavony sy ny siramamy mandrapahazo loko somary fotsy. 
- Avy eo, alefa ny lafarina sy ny maïzena dia afangaro.
- Kapohana handroatra fotsy misavovona tsara amin'ny lovia mitokana ny tapotsiny asiana sira 1 tsongo (atao en neige)
- Avy eo, alefa tsikelikely amin'ilay fangaro voalohany ny tapotsiny efa voakapoka dia afangaro tsara.
- Afanaina mialoha 180°C ny lafaoro
- Osorana menaka kely ny lasitra mahitsizoro dia fafazana lafarina kely ary araraka ao ny paty, ahandroina 15 - 25mn arakaraky ny lafaoro.
- Masaka ny paty ; alaina ny "film alimentaire" mitovy habe amin'ny paty dia ahorona, azo atao koa ny lamba manifinify mitovy habe amin'ny lay paty, lemana tsara amin'ny rano mangatsika 'lay lamba dia fihazana ary velarina eo ambony paty efa masaka ny lamba lena ary ahorona toy ny tsihy (ilay paty mahamay iny no ahodina ary avela mangatsika tsara vao esorina ny lamba na ilay "film alimentaire")
- Averina velarina moramora ny paty mangatsika ary hosorana "crème au chocolat" dia avalona ahorona toy ny tsihy indray 
- hosorana "crème" koa ny ivelany dia raotina moramora amin'ny sotrorovitra ny lakirema ivelany.

  • Ho an'ny lakirema:

- Tenehina amin'ny afo malefaka ny chocolat noir ka tapatapana dia arotsaka ao koa ny creme fraiche sy dibera ary siramamy, arohana foana mandrapahalasa azy lakirema sady efa mitsonika daholo ny dibera sy chocolat.

Rehefa matimaty dia arotsaka eo ambonin' ny paty, vita vao ahorona sy hampihaingona araka zay tiana.
Fanamarihana : norarahako ranontsiramamy (na ranomboankazo ) lay paty vita satria tsy tian' ny zanako lay maina iny

Nahandron'i Tiana Parlato 

 

Catégorie: