Cake à la vapeur

350

Cake à la vapeur - Cake masakevoka

Zavatra ilaina:

Lafarina 170g,
atody 3,  
lavanila 1 ,
lalovay 1/2 fonosana,
siramamy izay tiana,
rano 4cl,
voanio vovony izay tiana,
dibera

Fikarakarana azy: 

- sarahana ny tamenakatody sy tapotsiny, kapoana miaraka ny tamenany, siramamy, rano ary ny lavanila (didina dia ny ao anatiny ihany no alaina)
- atao mitombo tsara sy atao fotsy tsara vao ajanona.
- avy eo arotsaka ny lafarina sy lalovay ary ny voanio vovony kapoana moramora
- Kapohina ny tapotsiny ho lasa fotsy tsara na hoe "en neige"
- arotsaka ao anatin'ilay  fangaro voalohany dia kapoana ihany
- asiana dibera ny lasitra dia atao ao ny ny pate dia andrahoina "bain- marie" : vilany misy rano dia atao ao ny lasitra 

Mazotoa ary o 
Nahandron'i Rojo Grondin

 

Catégorie: