Cake malefaka

450

CAKE MALEFAKA 

ILAINA : 
lafarina 500 g 
dibera 250 g
siramamy 250g
atody 6 
yaourt 2 pots
lalovay simika 2 sotrokely

FIKARAKARANA :

- Afangaro ny dibera malemy sy ny siramamy mandra-pahalevony
- Sarahana ny atody, ka afangaro ao indray ny tamenany
- Asiana sira 1 tsongo ny tapotsiny dia kapohana hisavovona mandroatra fotsy mitambatra tsara
- Araraka ao amin'ilay fangaro teo aloha ny lafarina efa nafangaro tamin'ny lalovay (tsara raha tantavanina), dia alefa koa ny antsasany ny tapotsiny efa voakapoka, afangaro tsara
- Arotsaka ny ambin'ny tapotsiny efa voakapoka, afangaro mora dia mora (tsy kapohana a, manjary lasa toy ny "elastique" ny paty. Raha "batteuse" moa no ampiasainao dia ataovy ambany ny "vitesse"
- Farany , arotsaka ny yaourts. Mbola afaka manampy voaloboka maina koa ohatra ( mila lomana amin'ny rhum alohan'izay)

Fahandro azy:

Hafanaina mialoha foana ny lafaoro eo amin'ny 15minitra eo
- Raha lafaoro gasy eo amin'ny 20 minitra! . Izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- lafaoro vazaha:T• = 200•C - 10 minitra ary 150•C - 35 Minitra

 nahandron'i Kapy Kapisoa 

 

Catégorie: