Cake malefaka 2

Portrait de Angie
502

 

CAKE MALEFAKA
 

ILAINA:
lafarina 500 g
dibera 250 g 
siramamy 250g
Atody 6 
yaourt 2 pots
lalovay simika 2sotro kely

FIKARAKARANA :
- Avela halemy ny dibera dia kapohana miaraka amin'ny siramamy (crémer)
Afangaro tsara amin'ny "fouet latéral"
- Arotsaka ny tamenany dia afangaro (Emulsionner : Crémer + Jaune)
- Asiana sira 1 tsongo ny tapotsin'atody dia kapohana hisavovona handroatra fotsy (Monter les blancs en neige ferme) ( Fouet spiral ou à ressort raha misy)

- Afangaro sy tantavanina ny lafarina sy ny lalovay ary araraka ao amin'ilay dibera+siramamy + tamenak'atody efa voakapoka teo aloha. 
- Arotsaka ny antsasaky ny tapotsiny efa voakapoka. Afangaro tsara.
- Arotsaka indray ny ambin'ny tapotsiny efa voakapoka, afangaro mora 
(aza kapohana mafy loatra fa manjary lasa "élastique" ny paty.
Raha "batteuse" moa no ampiasainao dia ataovy ambany ny "vitesse"

- Farany, ampio "yaourt 2pots" sy izay fangarony tianao (ohatra :
voaloboka maina (raisins secs) efa nalona tanaty "rhum" ).
Atao anaty lasitra efa voakarakara.

FANDRAHOANA :

Anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 200°C 10 minitra.
Rehefa mafana dia 200°C mandritry ny 10 minitra ary ahena ho 150°C mandritry ny 35 minitra.

DIA MIRARY NY SOA HATRANY HO ANTSIKA REHETRA INDRAY !

Nahandron'i Niaina Randriamirado, sary fampiharana nataon'i Miora Andrianarivo 

Catégorie: