Canapé

934

ODY AM-BAVA FO na FANOKAFAM-BAVONY : CANAPE'

ZAVATRA ILAINA:
 

Mofo
Lasary karoty 
Katsaka
thon 
mayonaise 
Atody masaka 
Salady voatabia 
Saosy  vinaingitra
saosy balsamika

FIKARAKARANA AZY:
 

Tetehina manify ny modo dia atono ambadika sy ambadika.
Avy eo asiana izay tiana eo amboniny toy ny :
Lasary karoty
Katsaka sy thon ary mayonaise
Atody masaka voatetika
Lasary  voatabia
Manao saosy “vinaigrette” : vinaingitra sy menaka ary sira sy siramamy kely, afangaro tsara dia asiana daholo  io saosy io avokoa aloha vao atao ambony mofo.Ny eo ambonin' ny atody kosa dia sosy balsamika (vidiana vita)
 

Fanamarihana :
na atono eo ambonin' ny saribao (charbon) aza ny mofo vao maika tsara.
Raha tiana dia somary kasohana tongologasy ny mofo vao atono ary izay vao asiana zavatra eo amboniny.

Mazotoa o

Nahandron’i Tiana Parlato

 

Catégorie: