Charlotte au chocolat

169

CHARLOTE AU CHOCOLAT

ZAVATRA ILAINA:

 Ilaina ho an'ny "génoise" :
- Atody 4
- lafarina 120g
- siramamy 120g 
 

Ilana ho an'ny Charlotte:

genoise 1 disque de 18cm,
Boudoir 30,
choco 100g,
crème liquide 100ml,
chantilly 150ml,
mini choco noir 1,
mini choco blanc 1 ho an'ny haingony,
mini choco noir 3
crème liquide 45ml ho an'ny haingony na "miroir".

Fitaovana ilaina:
moule à manquer, 
Ruban rouge 1m, na izay tiana 
ruban doré 1m.

 

FIKARAKARANA AZY:

1: Manao génoise:
 - kapohana tsara ny atody sy siramamy mandra-pahalevony sy somary lasa fotsy
- arotsaka ny lafarina (tsy arodana be fa tsara alefa amin'ny pasoara dia afafifafy), aroina mora ("spatule" no ampiasaina dia somary alorina avy any ambany no miakatra dia atontona kely ilay "spatule")
- osorana menaka kely ny lasitra dia fafazana lafarina
- Araraka ao ny paty, dia alefa anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 25 - 30 minitra eo.
2: Atsonika ny 100g choco s100ml crème liquide
3: Afangaro amin'ny chantilly : kapohana hiakatra tsara ny siramamy na sucre glace sy crème fraiche (azo asiana colorant raha tiana )
4: alaina ny "moule à manquer", alefa ao ilay genoise, alahatra amin'ny sisiny ny boudoir
5: Araraka ao ilay fangaro 2 sy3 ny akambana teo.
6: Ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny alina.
7: Maraina ny andro atsonika ny 3 choco sy ny crème liquide 45ml
8: Araraka eo eo amin'ilay ilay gateau teo.
9: averina ampidirina anaty vata fampangatsiahana

Fanaingoana azy:

mini choco blanc 1 atsonika amin'ny menaka 1 sotro fihinanana, rehefa mitsonika araraka ambony "papier sulfurisé" ary lalorina amin'ny amin'ny sotro tsy atao manify loatra, rehefa mitady ho maina dia didiana amin'ny emporte pièce papillon, ôtran'izay ihany koa ny noir.

Avoaka amin'ny zay ny gateau, vahana ny moule asiana ireo ruban, apetraka koa ny papillon somary asiana crème kely ao ambany mba ho avo avo

Nahandron'i Nalitiana Tafangy

Catégorie: