Charlotte aux fraises revisité

242

Charlotte aux fraises

zavatra ilaina:
crème fraiche 1/2l, sucre 3cs, fraise 1/2kg, gélatine 1cs na feuille de gélatine 1 , boudoirs, sucre glace , citron, 

Fikarakana azy :
- Atao anaty frigo aloha ny hoplà sy ny bol ary fouet hanaovana ny chantilly raha ho atao antanana.
- Raha feuille de gélatine no ampiasaina dia mila alona rano mangatsiaka aloha eo amin'ny 8-10min eo mba halefaka
- Sasana ny fraise ka rehefa voadio tsara dia analana kely atao décoration fa ny ambiny kosa dia mixér-na miaraka amin'ny jus de citron sy siramamy ary ny gousse de vanille 1 nosokafana ka ny tao anatiny no alefa fa tsy ny tahony , dia atao lasa crème tsara ,  dia zaraina roa.
- Ny atsasan'ilay fraise dia ampiarahana hafanaina kely miaraka amin'ny gélatine (atao matimaty fa tsy atao mangotraka) ary atambatra ao avy eo ny antsasaky ny fraise najanona dia afangaro tsara.
- manao chantilly : kapohana hiakatra tsara ny crème fraiche ary rehefa tena miakatra ambonimbony vao asiana ny sucre glace , hoplà izy eto   (azo asiana colorant raha tiana ), raha siramamy kosa no ampiasaina dia miaraka kapohina mialoha

- rehefa mangatsiaka ny fraises misy ilay gelatine, ary vita tsara ny chantilly dia atambatra ary afangaro moramora amin'ny spatule , atao tsikelikely fa manjary mihena ny chantilly ,rehefa voafangaro tsara daholo dia lasa mousse de fraise
- maka moule à manquer dia apetraka ny boudoirs amin'ny fond sy amin'ny sisiny , ny lafintsaran'ny boudoirs no atao ivelany , alona kely ao anaty sirop ny lafiny iray amin'ny boudoirs izay atao lafika mba halefaka 
- dia araraka ny antsasaky ny mousse de fraise dia mbola nampiana potipotika boudoirs sy fraises voatetika majinika koa teo ampovoany, nasiana couche ny antsasaky ny mousse indray izay vao nasiana decoration. 
Nampidirina frigo ary esorina ny moule dia asiana ruban raha tiana.

Mazotoa daholo o

 

Catégorie: 
Matériels: