Crêpe au chantilly ,

445

MOFOMAMY : GATEAU CREPE AU CHANTILLY 

ZAVATRA ILAINA 

Ny Crepe

mahavita 20 crêpes:
ronono 1l 1/2,
lafarina 1/2kg, 
siramamy 2 sotro , 
atody 4 .

FIKARAKARANA AZY:

ny crepe:

Afangaro daholo ireo zavatra ilaina : ronono, lafarina, siramamy ary atody dia afangaro tsara ka rehefa mahazo pâte tsy marihatra be moa tsy mandranoka be koa dia vita .
Avela hilona 1ora vao endasina amin'ny lapoaly nolalorana menaka,

Chantilly:

hoplà sucré 1/2l.
Kapohana amin ny batteuse mandrampahazo creme matevina tsara

fanambarana azy:

Maka vilia dia apetraka ny crepe dia lalorina chantilly asiana crepe indray dia chantilly anelanelan 'ilay crêpe dia avy eo ary tohizana mandrapahatapitry ny rehetra dia lasa manome ohatrany gâteau dia hosorona chantilly ihany koa manondidina dia haingoina araka izay tiana avy eo .
Atao anaty frigo mandrampa-hinana azy

Sary sy nahandron'i Voon Rasetry Andriamora

Mazotoa o 

Catégorie: