Escalopes à l'orange

307

Nofon-kena saosy voasary - escalopes à l'orange  (asa raha mahadika azy indray ilay teny malagasy)

sakafo tena tian'ny ankizy izy ity azo ovaina voasary makirana raha tiana ny voasary, na koa mandarine

Zavatra ilaina :

nofon-kena ( akoho, kisoa , omby, vorontsoloza, izay tiana izany raha somary mafy dia azo kapohina mba halemy kokoa )
voasary 2, lafarina, dibera, sira, menaka, (divay raha tsy ho an'ny zaza)

Fikarakarana azy  

sasana tsara ny voasary dia kikisana ny hodiny iray (tsy atao mahazo ilay fotsy) ary potserina ho azo ny jus dia atokana. 
- sasana ny nofon-kena dia hamainina tsara ary ampandalovina lafarina ka somary tsindrina hiraikitra tsara izany 
- maka lapoaly tsy miraikitra dia asiana dibera (tsara raha tsy soloina menaka io fa io no tena mahatsara ny escalopes) arotsaka koa ny hodimboasary voakiky ary atao afo malefaka dia avela hitsonika ny dibera ary hahazo ny tsiro avy amin'ny hodimboasary 
- rehefa mitsonika tsara dia arotsaka ny nofon-kena ary tonga dia avadika afaka fotoana fohy (tsy mihoatra ny 1 min ) asiana sira ary eto no arotsaka ny divay raha asiana ka rehefa afaka ny enton'ny alikaola (alcool) dia arotsaka ny jus d'orange dia avela hitanika 4 à 5 min eo fa kosa mila avadibadika, rehefa izay dia esorina aloha ny nofon-kena dia atao amin'ny vilia ary saromana hafana (ny ahy ataoko ao anaty lafaoro, tsy mirehitra mazava ho azy fa mba hitazomana ny hafanana), avela ho ritraritra amin'izay ilay jus d'orange ao anaty lapoaly fa arorona tsara mba tsy hiraikitra ary tandremana tsy ho ritra loatra, nefa moa azo ampiana rano kely raha ritra an , 
averina ao amin'izay ny nofon-kena sy ny ranon'entona tamin'ny vilia sy ny sarony ary avadibadika kely dia vonoina ny afo. Aroso mafana 

Mazotoa homana ary o 

 

Catégorie: 
Matériels: