Flan terrine aux legumes

833

FLAN TERRINE AUX LEGUMES

ZAVATRA ILAINA 
ho an'olona 4: 
- karoty 200Ar
- harikovera400Ar
- nofon-trondro 1/4 kg (facultatif)
- atody 4
- dibera 125g
- fromazy voakiky
- lafarine 2 sotro fihinana
- tongolo gasy
- dipoavatra 
- sira 
- kotomila

FIKARAKARANA AZY:
- ampangotrahina amin'ny rano misy sira ny karoty sy harikovera dia tetehina atao efamira madinika : "macedoine"
- andrahoina ny nofon-trondro ka potehina rehefa masaka
- kapohina tsara ny atody ka afangaro daholo ny "macedoine", trondro, kotomila, atsasaka fromazy voakiky, ary ny dibera efa noempoina, lafarina. Araraka anaty lasitra efa voahosotra dibera ireo, rarahana ny ambina fromazy eo amboniny 
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha amin'ny hafanana 200°c mandritra ny 15 minitra

Avela mangatsiaka dia hohanina miaraka amin'ny salady maintso .

Mazotoa homana o!!

Nahandron'i Aina Feno Fitahiana

 

 

Catégorie: