Frite vomanga

64

VOMANGA FRITY

Ny vomanga endasina: tena mora atao tokoa sady mora vidy ihany koa,

 

ZAVATRA ILAINA: 

 

vomanga,
menaka

 

FIKARAKARANA:

 

Voasana ny vomanga dia tetehana lavalava atao ohatran'ny manao ovy endasina ihany na koa izay bika tiana atao

Sasana tsara dia fafana mba ho maina tsara

Hafanaina ny menaka , saba no tsara hanaovana azy

Ary endasina ny vomanga, avy eo atao ambony taratasy na "essuie tout" mba hitsika tsara ny menaka.

 

Aroso mafana

Mazotoa o

Nahadron'i Vola Claudia

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: