Gambas geants grillés

403

" GAMBAS GEANTS GRILLES " 

toy ny crevette ihany fa ngeza be izy ity 

ZAVATRA ILAINA

ho an'olona 4 :
"Gambas" 1kg
persily sy " basilic"
dibera 100g
sira
voasary makirana 2

FIKARAKARANA  AZY:

- Afangaro ny dibera, ny persily voatetika, ny "basilic" voatetika ary ny sira
- Rehefa voadio ny "gambas" dia tatahana manaraka ny lavany ka hosorana ilay dibera efa nafangaro teo, avela hilona 1ora.
- Afanaina 180°C ny lafaoro dia ampidirina ao ilay "gambas" mandritra ny 10minitra dia vita a !

Rarahana ranom-boasary makirana alohan'ny hihinanana azy.

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: