Ganagana sy oliva

233

GANAGANA SY OLIVA 

 

mahavita hatramin'ny olona 8:

 

Zavatra ilaina:

Ganagana iray lehibe.
divay fotsy : 100 ml (rehefa tsy misy divay dia azo atao "jus de pomme") 
oliva maintso sy mainty (be dia be)
tongolo gasy
tongolo be voatetika
sira,
dipoavatra

Fikarakarana azy

1. Hendakendasina kely amin'ny lapoaly hivoaka ny menaka amin'ny ganagana efa voatetika. Asiana tongolo be voatetika, sira sy dipoavatra. 

2. Rehefa mendimendy tsara dia asiana divay fotsy 100 ml. Raha tsy tia divay dia azo hatao "jus de pomme".

3. Avela indray mangotraka dia afindra anaty lasitra mandeha lafaoro somary matevitevina tsara. Hatao 425 Farheinet izany hoe 220 C , avela amin'io hafanana io mandritra ny 20 minitra. eo aloha.

4. Avy eo ampidinana 350 F na 175°C ny afo, dia mbola avela ao ora iray eo.

5. Avy eo arotsaka ny oliva maitso sy mainty ary tongolo gasy (be dia be) avela tsy voatetika fa iny voavaofy mivaingambaingana iny miitsy. Dia mbola avela 20 minitra indray.

 

NB : Raha tsy te-hampiasa lafaoro dia azo ritina toy ny mahadro vorona ritra fa 20 minitra alohan'ny hamonoana ny afo dia alefa ny oliva sy ny tongolo gasy. 

Rehefa vita dia afaka aroso miaraka amin'ny vary na salady na ovy voapotsitra na legioma masak'entona.

Mazotoa omana ô!

Nahandron'i Lova Ramboarisata

 

 

Catégorie: 
Matériels: