Gateau bonbon 1

867

Sao mba tianareo ihany koa ny manao "gateau bonbon" 
azo atao amin'ny anniversaire- ny ankizy mba miova amin'ny mahazatra.

ZAVATRA ILAINA

Bonbon isan-karazany : araka izay misy fa ilay malemilemy no tsara
- marshmallow 
- gelée aux fruits
- cure-dents
- polystyrène ( 2 ny ahy eto ny iray 3,5 cm eo ny hahavony ny iray 5cm)
- papier alu na pellicule

FIKARAKARANA AZY

- fonosina amin'ny papier alu na amin'ny pellicule ny polystyrene efa voadidy araka izay bikany tiana eto moa dia boribory 
- izay polystyrène lehibe no atao ambany dia asiana cure-dents 4 mitsatoka eo amboniny dia apetraka hitsatoka eo ilay polystyrene kelikely kokoa,
- zaraina roa kosa ny cure-dents maro be dia manomboka ny fandrafetana azy
- alaina amin'izay ny bonbon rehetra ka araka izay bika tiana atao no hanatsatohana azy, atomboka amin'ny ambany indrindra aloha izay vao miakatra tsikelikely.
- ny sisiny rehetra dia fotsy avokoa ka ny marshmallow fotsiny no nataoko, tsindromina cure-dents ny bonbon fa tsy atao mivoaka any ivelany, dia tsindromina hitsatoka amin'ny polystyrène dia toy izay hatrany. 
- ny eo ambony indrindra tsy nasiako cure-dents ny atiny fa ny sisiny ihany.

Mazotoa o 

 

Catégorie: