Gateau vomanga

123

GATEAU VOMANGA - GATEAU FITIA

ZAVATRA ILAINA

vomanga voloparasy 1kg 500 ,
siramamy menamena 300g, 
lafarina 80g ,
dobera 200g ,
atody lehibe 4 ,
lavanila
dzama 4 sotro

FIKARAKARANA AZY:

- andrahoina aloha ny vomanga miaraka amin'ny hodiny avy eo voasana dia potsehina, 
- afangaro amin'ny ireo zavatra ilaina rehetra ireo
- faritana amin'ny sotro rovitra kely eo ambony mba ho haingo kely ! 
- maka lasitra dia asiana dibera na menaka dia fafazana lafarina kely 
- hafanaina mialoha ny lafaoro ary ampidirna avy eo atao 160° eo amin'ny 50 minitra eo amin'ny izay lasa mena tsara ny eo ambony , ary rehefa maina tsara koa ny ao anatiny , tsapaina amin'ny lelan'antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita 

Fanamarihana:
raha vomanga fotsifotsy dia mila manisy atody eo ambony mba hanome loko
dia mazotoa homana o

 

Catégorie: 
Matériels: