Gisa

1093

LAOKA: GISA RITRA

ZAVATRA ILAINA :

Gisa 
tongolo gasy voakiky
sakamalaho voakiky
divay fotsy (vin blanc sec)
dipoavatra tanora (poivre vert)
siramamy 1 sotro kely
sira 
menaka

FIKARAKARANA

rehefa voadio sy voatetika ny gisa dia endasindasina kely ao anaty vilany misy menaka kely fotsiny, 
rehefa mendimendy dia arotsaka ny tongolo gasy sy ny sakamalaho ary ny siramamy, rehefa mifangaro tsara dia asina rano izay mahamasaka azy
rehefa akaiky ho masaka dia arotsaka ny divay fotsy sy ny dipoavatra tanora 
avela hiketrika kely hifandray ny tsiro, esorina araka izay tiana na atao misy saosisaosy na ritra tsara

mazotoa

Nahandro sy sarin'i Rasoa Tia Mahandro 30.11.17

Catégorie: