Gnoncchi tricolore

505

Gnocchi tricolore (specialité italien ) 

ZAVATRA ILAINA:

  •  ho an'ny Paty "gnocchi":

500g lafarina
500g ovy masaka, 
atody 3 ( raha tiana), 

  •  ho an'ny fangaro: 

- korzety, 
- voatabia, 
- tongolo gasy, 
- menaka, 
- sira. 
 

FIKARAKARANA:

  • Ny paty "gnocchi "

- Rehefa masaka ny ovy (nandrahoina aman-kodiny) dia potserina ho lasa "puré" 
- Atao ambony latabatra ny lafarinina dia lavahana eo ampofovany ary atao ao ny ovy lavahana koa ny ovy dia atao ao ny atody ary kapohana aloha vao atambatra tsikelikely amin'ny ovy sy lafarina mandrapahatonga azy rehetra mitambatra tsara ho paty, avy eo atao boribory dia fonosina lamba mba tsy hiraikitra amin'ny latabatra 
- Maka kely amin'ilay paty io dia atao lavalava vao tetehina kely toy ny fanondro avy, ary rarahana lafarinina mba tsy hitambatra. 
- Arotsaka anaty rano mangotraka efa masira ka rehefa mitsikafona afaka 15 minitra eo , andramo mihintsy ka raha henonao malemy sy masaka tsara, dia hanalana 1 vera ny rano vao tsihifina anaty "passoire". (mety ilaina iny rano iny avy eo)

  • Ny fangaro

- asiana menaka oliva ny lapoaly dia endasina ao ny tonglo gasy kely sy ny voatabia, ary avela haka tsiro tsara Arotsaka anatin'ilay lapoaly efa misy saosy ny paty ary avela haka tsiro ka 5 minitra alohan'ny hanasorana azy eo ambonin' ny afo dia arotsaka ny korgety madio voatetika boribory Raha ilaina eto dia tampohana amin'ilay ranon'ilay paty teo aloha mba hiditra tsara anatin' ny paty ny tsiron' ilay saosy. Loharana amin'ny vilia dia aroso, ampihaingona vongana sakay "frais" raha tiana. 
Sady malefaka ity sakafo ity no matsiro ary tsy mandany vola kanefa mihaja

Mazotoa daholo ary o

Nahandron'i Tiana Parlato 

 

Catégorie: