Hena baolina

5

HENA BAOLINA - boulette de viande - polpettine

ZAVATRA ILAINA :

toton-kena ,
atody,
pain de mie
ronono kely
fromazy voakiky,
sira ,
dipoavatra (raha tiana)

FIKARAKARANA AZY :

- esorina ny sisin'ny pain de mie ilay somary henjana dia alona ao anat' ilay ronono ny atiny avy eo dia fihazana tsara

- maka bol dia atao ao daholo ireo zavatra ilaina ireo dia afangaro tsara (ny ahy ataoko amin'ny tanana)

- rehefa vita dia atao boribory dia endasina amin'ny menaka tsy atao afo mamay be loatra ,

- rehefa masaka dia aza adino ny mametraka azy ambony taratasy mifoka menaka raha tsy misy ilay "essuie tout"

Mazotoa ary o

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 

Catégorie: 
Matériels: