By Andry Rakotomavo
Kaofitiora voatabia
KAOFITIORA VOATABIA - confiture tomate
ZAVATRA ILAINA :
- voatabia 1kg
- siramamy 1kg
- lavanila tahony 2 (na kanelina) izay tianao
FIKARAKARANA AZY:
- Fomba 1 (nataoko teto) :
- Voasana ilay voadabia ( ny ahy tsy novoasana) dia esorina ny voany
- ampangotrahana tsara
- arotsaka avy eo ny siramamy sy lavanila, avela mangotraka, mila aroina matetika mba tsy hiraikitra amin'ny vody vilany.
- Rehefa hitanao fa marihitra ilay izy dia masaka izy izay.
- Fomba 2 (tsy mbola nataoko) :
- tapahana efamira madinika ny voatabia rehefa avy novoasana
- afangaro aminy ny siramamy sy lavanila na hanitra izay tiana
- avela milona anaty vata fampangatsiahana mandritra 12ora
- aorian'izay dia ampangotrahina 10 na 15minitra eo dia efa mety haroso
NB: raha tiana hotehirizina izy dia tsara kokoa iny vao vita iny sy mbola mafana no atao anaty "bocal" saromana tsara dia ampangotrahana anaty rano mangotraka.
Esorina dia ahohoka ( ny vavan'ny "bocal" no atao ambany) mandra-pangatsiakany tsara. Maharitra be io raha toa ka tsy mbola nisokatra.
Mazotoa o
nahandron'i Tatiana Sam Mboty
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire