Kaonfitiora voatsinefy

1180

 

Kaonfitiora voatsinefy – confiture de jujube

Miarahaba o,

tena be mpitia ny voatsinefy any Madagasikara. Ankoatry ny fihinana azy amin'izao dia azo atao tsara koa ny manao azy ho kaonfitiora.

 ZAVATRA ILAINA:

  • Voatsinefy
  • Rano
  • Siramamy

 

 FIKARAKARANA AZY:

  • Sasana tsara ny voatsinefy
  • arotsaka anaty vilany ary asina rano tokony hahamasaka azy .
  • rehefa akaiky ho ritra vao asiana siramamy  ary izay vao haroharoina tsara
  • rehefa hita fa madity dia esorina amony afo ary avela mangatsiaka.

 Fanamarihana:

misy karazany telo moa izy itony ao Madagasikara dia ny voatsinefy, mokonazy ary ny jijimo
asa raha efa samy nahita azy avokoa ny maro.

Mazotoa o

Nahandro sy sarin'i  Mampiadana Elinah- 03.01.2020 

Ingrédients: 
Catégorie: