Lasopy akoho

682

Lalao fetin'ny Ray 2016

SOUPE DE POULET - LASOPY AKOHO  

Zavatra ilaina:
akoho 1/2kg
« pâte jaune » 1/2kg
atody 3
kotomila
tongolo maitso
sakamalaho
sira

Fikarakarana azy :

- Tetehana ny akoho dia sasana, atao ao anaty vilany, asiana rano 2 zinga(2 litatra)
- Rehefa mangotraka, dia kikisana ny sakamalaho ary arotsaka
- Rehefa hita fa masaka ilay akoho dia arotsaka ny paty.
- sasana koa ny atody dia andrahoina aman-kodiny
- Jerena ny rony raha ampy ( fa ny ahy teto dia nampiako tapaky ny zinga satria kelikely ny rony)
- Asiana sira izay ampy azy
- Rehefa hita fa masaka, dia bataina. Arotsaka amin'izay ny tongolo maitso sy kotomila ; saronana kely 2 minitra zay vao loarana.
- Alaina ny atody dia voasana ary alefa ao anaty lasopy.
Vita tompoko

Mazotoa homana!!!!!!!

nahandron'i Hadjah Bruno

 

Catégorie: