Lasopy maritata napolitana

850

SAKAFO MAHALEO TENA : MINESTRA MARITATA NAPOLITANA

- raha adika arabakiteny dia hoe Lasopy mivady napolitana , nahandro aroso amin'ny Noely ihany koa izy ity ao Naples fa maro ihany koa ny misafidy azy ny andro aorian'ny fety toy ny 26 desambra na alatsinain'ny paka. Ny mahatonga ilay anarany dia satria tena mila mivady tsara ny fangaro rehetra mba hampatsiro azy.

ZAVATRA ILAINA:
- 3 Kg anana mifangaro( izay karazana anana misy ) fa matetika dia "scarole, bietoline, cicoria, verzia" azo soloina epinara, anantsonga, rambirebaka, laisoa sns 
- tongolo be 1, ovy 1, karoty 1, celeri 1,
- Hena mifangaro 1 kg ihany koa:akoho , saosisy, henakisoa ary henomby izany hoe 1/4 kg avy eo (misy manisy "bacon", jambon sns) fa misy koa manao azy maivamaivana kokoa tsy dia be matavy
- voatabia kely raha tiana (izahay tsy manisy)
- 150 g. formazy "pecorino romano" na parmsan
- menaka oliva kely
- sira
- dipoavatra kely raha tiana

FIKARAKARANA AZY:
Mikarakara ny "brodo di carne" na hoe ron-kena : atao anaty vilany be iray ny hena rehetra voasasa sy voatetika, sasana ny ovy dia voasana ary tetehana, toy izay koa ny karoty, tongolo sy celeri koa tetehina ary ny voatabia kely. Saromana rano mangatsiaka dia avela hangotraka, ary avela hitanika ora iray aorian'izy mangotraka. Esorina ny erotra miforona eo amboniny ary asiana sira rehefa ho tapitra ny ora iray. 
Mandritra izany dia sasana tsara ny anana mifangaro rehetra esorina indrindra ny tany , dia arotsaka anaty rano mangotraka efa misy sira fa tsy atao masaka be satria mbola ho andrahoina avy eo. Avela hitsika tsara ny ranony dia atokana
Rehefa vita ilay ron-kena dia esorina ny hena dia atokana raha tiana fa azo avela ao ihany koa. 
 Arotsaka ao anaty ron-kena kosa ilay anana mifangaro efa natsika tsara dia avela ho masaka eo mandritry ny 15-20 minitra eo indray.Rehefa vita izay dia esorina ambony afo ary avela hipetraka ora maromaro mba hifandray tsara ny tsiro rehetra: antsoiny hoe mivady tsara ny hena sy anana. 
Rehefa ho aroso dia hafanaina ary asiana menaka oliva kely sy fromazy "pecorino romano" na parmesan voakiky sy dipoavatra araka izay tiana dia vita ny "minestra maritata napolitana". 
Azo aroso miaraka amin'ny mofo mikarepoka "crouton" : tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny

Mazotoa o 

Catégorie: