Lasopy meefoon - bouillon

347

Bouillon meefoon au boulettes: recettes Mauriciennes 

Zavatra ilaina:
vermicelles de riz na hoe mee foon (PATE fotsy madinika ireny)
Bouillon de poulet (taolan'akoho napangotrahana)
Toto-kena
Boulettes de poisson* ( vidina vita na manamboatra)
Kotomila,
tongolo ravina,
azo asiana sakay tany,
brède chinois

Fikarakarana azy:
Ampangotrahina ny taolan'akoho mandritran'i fotoana maharitra, arotsaka ao anaty rano tsotra avy napangotrahana ilay paty meefoon na "vermicelles de riz" 2 minitra fotsiny esorina dia atao anaty rano mangatsika, afangaro ny toto-kena asina menaka kely, sira, dipoavatra, 
esorina ilay taolan'akoho tamin'ilay ron-dasopy fa avela hangotraka hatrany ilay ranony ,atao boribory ny toto-kena tonga dia harotsaka ao , arotsaka ihany koa ny boulettes de poisson, ary ny brede chinois avela hangotraka hatrany, rehefa hita malemy ilay brede chinois dia esorina...
arotsaka anaty vilia baolina ilay "vermicelles de riz" izay vao arotsaka ilay ranon-dasopy arahana ilay zava-maintso: kotomila, tongolo ravina voatetika majinika. 

NB: recette de boulettede poisson de Holinirina Ramanankasina

alaivo ny nofon-trondro mbola manta iny, dia poteho amin'ny tanana ary esory daholo ny taolany;
asio izay hanitra tianao kotomila, tongolo maintso sns, ary sira 
asio maïzena mandram-pitambatr'ilay nofon-trondro, dia volavolao amin'ny tanana toy ny hena baolina,
ampangotray ny ranon-tsira, dia rehefa mivadibadika dia alefaso ao ilay nofon-trondro efa lasa baolina, ka raha vao mitsikafona dia efa masaka izy izay.

mazotoa o 
Nahandron'i Yvelines Anne 

 

Catégorie: