Lasopy sy chantilly ary épices

845

Vita ny fety dia mba sakafo maivana indray no atolotra am-pifaliana 

LASOPY LEGIOMA MISY "CHANTILLY" SY "EPICES" 

"Soupe de pomme de terre et de poireau et sa chantilly aux 5 baies et piment d'Espelette"

ZAVATRA ILAINA
Ho an’olona 5

Ovy 400g
poarô 400g
Karoty50g
tongolo be 1
Ron’akoho 800ml
Menaka oliva 2 sotro
Sira
Persila
Crème liquide 10cl
Dipoavatra 5 baies moulues 1 tsongo
ary ampiana sakay kely raha tiana

 

FIKARAKARANA AZY:

1/voasana dia tetehina ny ovy karoty, poarô ary tongolo
2/hafanaina kely menaka dia endakendasina ao avokoa ny legioma 10minitra eo ary asiana sira sy dipoavatra 3/arotsaka ny ron’akoho dia avela hitokona eo amin’ny afo malefaka mandritra ny ora iray
4/totohina amin’ny “robot”ny legioma mba hahazoana lasopy malefaka sy malama tsara
5/kapoahana ho lasa “chantilly” ny “crème liquide”, asiana sira, dipoavatra “5 baies moulues” dia sakay kely raha tiana

6/Ataovy anaty bol ny lasopy dia ataovy eo ambony ny chantilly raraho persila voatetika dia arosoy

FANAMARIHANA:

- ny fangaro “5 baies moulues” dia fitambaran’ny: "poivre noir, poivre vert, poivre blanc, baies roses", ary sakay kely, ankehitriny anefa misy manova ny "poivre blanc" soloiny kotomila maina satria io no mora kokoa, eny amin’ny supermarché moa no misy azy ireny na koa ny karana sy mpivarotra "epices"
- Azo hohanina amin’ny “crouton”:  tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny, arotsaka ao anaty lasopy 

Mazotoa o  

Nahandron’i Lova Petit Rama – Graine de faim kely

Catégorie: