Les Haricots

62

Les Haricots 

Faran'izay tsotra
Anefa koa dia tsara!
Tsy ahandroina ela loatra,
Anefa tsy manta toa lasary!
"Haricots verts" sy "mange- tout"
"Haricots plats"sy "mini-carottes"koa!

Ahandroina miaraka
Asiana menaka sy sira kely,
Ny rano 1 verre arotsaka manaraka
Satria izy io tsy endasina velively!
Dia asiana persil efa voatetitetika
Ary tongolo gasy kely satria ny fofon"io milentika!

Raha vao ritra izy dia esorina,
Alamina anatin' ny lovia!
Ny fofony @ io mamono vorona!
Ampiana saucisson dia "bon appétit"!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

 

Catégorie: 
Matériels: