Masikita vorontsiloza

339

Brochette de dinde na vorontsiloza

Zavatra ilaina :
nofon-tratram-borontsiloza, sira, menaka, dipoavatra, paprika, voasary makirana, tongolo gasy, persil 

Fikarakarana azy:

- Sasana ny nofon-tratram-borontsiloza dia tetehina lavalava .
- Lomana sira, menaka oliva, dipoavatra, paprika tsotra, ranomboasary makirana, tongolo gasy voatoto, persil voatetika madinika mandritra ny 10 minitra farafaha keliny.
- Ary atono

Azo aroso miaraka amin'ny karoty voadio sy voatetika lavalava dia nandrahoina kely avy eo afangaro persil sy celeri voatetika majinika sy sira, dipoavatra, menaka oliva, vinaigre.

Mazotoa ary ooo

de Tiana Parlato

Catégorie: