Mille feuille

573

"MILLE FEUILLE"

ho an'olona 6
1) Ho an'ny "pâte feuilletée"

Lafarina 250g
sira 5g
rano 125ml
dibera 180g (beurre sec na margarine à feuilletage : donga)
lafarina hiasana eny anelanelany
atody 1 (dorure)
"Crème pâtissière" 1/2 litatra (jereo etsy ambany ny recette)
"alcool ou liqueur" 2cl hanamanitra azy (tsy voatery)

- Karakaraina ny "pâte feuilletée maison" dia fisahana manify (tsindrio ato fanaovana pate fuilletée ). Tsindronina amin'ny sotrorovitra ny tapony rehetra, raradrarahana siramamy kely.
- Apetraka ambony "plaque" dia tsindrina "plasue" hafa na "grille" eo amboniny mba tsy hibontsina be.
- Atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 200°C 

"crème pâtissière" ho an'olona 8 :

Ronono velona na "lait entier en brique" 500ml
tamenak'atody 5
lavanila tahony 1
sira 1 tsongo
siramamy 80g
lafarina 40g maïzena 30g
dibera 1 sotrokely

- Zaraina 2 manaraka ny halavany ny lavanila, alefa anaty ronono ary afanaina ambony afo. Vao mangotraka dia ajanona (stopper dès l'ébullition).
- Kapohana ny siramamy sy tamenak'atody mandra-pivadiny ho somary fotsy. Avy eo, arotsaka miandalana ny lafarina sy maïzena ary aroina amin'ny "fouet". Tokony hahazo fangaro malama tsara isika.
- Araraka ao ny antsasaky ny ronono, aroina mora amin'ny "fouet" (tsy atao mandroatra), mahazo fangaro malama isika ( lisse et sans trop de bulles).
- Arotsaka ao amin'ny ronono anaty "casserole" indray io fangaro io, atao ambony afo malefaka ary aroina tsy mijanona amin'ny "fouet" mba tsy hampitambaingana azy"
- Rehefa tsapanao matevina ny fangaro dia vonoina ny afo.
- Afindra amin'ny bol dia hosorana dibera ny tapony (Tamponner la surface de la crème avec une noix de beurre pour éviter la formation d'une "peau" en refroidissant). 
- Fonosina "papier film alimentaire" dia atao anaty vata fampangatsiahana na terana mangatsiaka mandra-pampiasa azy.

2) Ho an'ny "glaçage"

"sucre glace" 500g
"Extrait de café" na sokola natsonika
rano (alefa tsikelikely)

- Atao anaty "bol" ny "sucre glace" 300g, asiana rano 1sotro fihinanana dia afangaro. Ampiana rano tsikelikely avy eo mandra-pahazo paty (tsy atao mandranoka be)
- Raha tsapanao fa tsy haharakotra ny mofomamy dia afaka manamboatra indray amin'ilay ambina "sucre glace" 200g. Dia hanokanana kely ity farany ary afangaro amin'ny "extrait de café" na sokola natsonika.
=> Paty "feuilletée" masaka no ambany, hosorana "crème pâtissière", dia paty "feuilletée" indray - "crème pâtissière" ary farany paty "feuilletée". 
- Vao vita ny "fondant blanc" antsika dia arotsaka malaky eo ambony mofomamy, aparitaka amin'ny " spatule plate".

- Avy eo, atao anaty "pochoir" na "piston" ilay "fondant" miloko, dia manoritra tsipika mirazotra mitsivalana amin'iny (tracer des lignes parallèles) eo ambonin'ny mofomamy ianao .

- Alaina ny lohan'antsy dia soritana ny ambonin'ny "glaçage" (tsipika midina mitsangana maromaro aloha, dia anelanelan'ilay tsipika natao iny indray manisy tsipika miakatra mitsangana maromaro) (Avec la pointe d'un couteau, rayer la surface, dans un sens puis dans l’autre, en traçant des lignes parallèles entre elles mais perpendiculaires à celles colorées).
- Tapahana sy ahitsy amin'izay ny mofomamy mba ho tsara endrika, dia atao anaty vata fampangatsiahana mandra-pihinana azy.

Mazotoa o 

Nahandron'i  Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: