Mofo akondro - mofo kida

Portrait de Angie
362

MOFO AKONDRO na MOFO FONTSY na MOFO KIDA 

Zavatra ilaina:
Lafarina 400g, 
Kobambary 300g,
Siramamy 225g,
Ronono 350 ml,
Lalovay simika 1 fonosana, (lévure)
Atody 1 ,
Sira indray mitsongo,
Akondro masaka tsara 6 na 7
Menaka

Fikarakarana azy:
Ampiarahana anaty "bol" ny fangaro maina.
Ampiana atody, avy eo ny ronono. Afangaro tsara mba hahazo paty marihitra.
Zaraina 4 ny akondro tsirairay ary arotsaka ao amin'ny paty.
Avela hilona mandritry ny 1ora.
Afanaina ny menaka, atao afo malefaka, ary dia endasina tsikelikely ny mofo, eo amin'ny 2 hatramin'ny 4minitra eo. 
Esorina anaty menaka, tsihifina ambony taratasy mba hialan'ny menaka.

Mazotoa o 

de Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: