Mofo baolina maro safidy

28

Recette 1 mofo baolina de Lucie Rahariniaina. 

Pour 3 à 4 pers; farine 500g, atody 3 , karibometra desoude (any amin'ny pharmacie) 1/2sotrokely, levure 1sotro kely, siramamy 1kapoaka, ronono1/2 vera, afangaro ireo. afangaro ny farine sy levure , kapohina ny atody afangaro tsikelikely , alefa ny ronono ajanona rehefa manome pâte malemilemy, vita dia endasina.  

 

Recette 2 de Cé Rasam

Farine 500g, atody 3 ,bi carbonate de soude(farmasia) atsasa-sotrokely, levure 1 sotrokely, sucre 1 kapoka, ronono demi verre, Kapoina ny sucre, atody, rehefa levona tsara ireo asiana lait, afangaro ny farine sy levure de araraka tsikelikely @ilay tery ambony ary haroina tsy mijanona, tsy azo atao miverina, rehefa tsy manara-tanana raha raisina dia vita, saromana vilia, dia avela hilona 4ora, ny tena tsara 1 alina mihintsy ,raisina @ sotro de arotsaka anaty menaka tsy mangotraka(vilany saba no tena ok feno menaka)

 

Recette 3 Ravaka Sarobidy 

farine 1kg, atody 3. levure 1, sucre 1kp.  ronono 0,5l 

afangaro ireo rehetra ireo dia saromana lamba dia alona 1h , endasina @ afo mirehitra tsara atao be menaka ny vilany afanaina de rehefa mafanafana dia arotsaka rehefa lasa boribory mitsingevana dia bataina kely andrasana ho vaky de averina ambony afo de miandry azy haka loko, ny menaka tsy atao mamay be nefa tsy de atao mangatsika koa.

 

Recette 4 de Fenitra Jeandot 

atody 3 , farine 500g, ronono nestle , vanille na zeste de citron , ' levure 1, azo atao 4 na ny atody an

afangaro ny farine sy levure , kapohina ny atody afangaro tsikelikely , alefa ny ronono ajanona rehefa manome pâte malemilemy dia vita o 

 

Recette 5 de Ando Ramanoelina

farine 500g, atody 3 fa raha maita atody gana inareo vao maika tsara (dia amin'izay mipasaka tsara), lévure1, sucre izay tiana. Fa rehefa manao azy dia atody aloha no kapohana mialoha zay vao afangaro ny hafa,asiana siramamy sy lévure dia avy eo alefa ny farine dia asiana rano. 

 

Recette 6 de Vero Randriam

(30 isa kelikely) Atody 3, Siramamy 6 sotro, raha tia matsatso sy manao régime, Farine 500g, levure chimique 10g, Ronono 1/2 vera, kikina hodim-boasary na hanitra vanila raha tianao N.B : Atao ny hariva ny paty dia ny ampitso vao endasina.

1) Kapohana tsara ny atody sy ny siramamy

2) Afangaro ny leviora sy lafarina, arotsaka ao amin'ny atody sy siramamy efa voakapoka avy eo, aroina tsara

3) Arotsaka tsikelikely ny ronono, tsy atao matsora ny paty fa atao fotsiny izay hitambarany (jereo sary 1). Eto koa no arotsaka ny hanitra raha asiana

4) Alona mandritry ny alina

5) Afanao amin'ny saba na vilany jobo ny menaka mahadifotra

6) volavolao ho boribory tsirairay amin'ny tanana ilay paty (sary 2), dia endaso amin'ny afo malefaka dia malefaka.

7) Mamadi-tena hoazy sy mipasaka hoazy ny mofo baolina

 

Recette 7 de Emma Rakotomahanina 

Farine 450kg, atody 3, ronono 30cl, menaka 3cs, levure 1, sucre 6 cs, vanille ou coco( facultatif).

Kapohina tsara ny atody sy sucre, alefa tsikelikely ny farine sy levure, mahazo pâte matevina Be.

Alefa ny huile, ronono.
Avela hilona 6h eo ny pâte farafahakeliny.

Hafanaina ny lapoaly ( afo mafy ), rehefa mahamay tsara dia asiana menaka ary ahena ny afo dia endasina ny mofo mba ho masaka tsara ny ao anatiny.

Raisina tsikelikely amin'ny sotrokely na lehibe araka izay tiana.

 

 

Mazotoa o , 

Catégorie: 
Matériels: